Taom-pahombiazana tanteraka ny taona 2016 ho an’ny kaominina Ampitatafika. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina mantsy dia saika tanteraka tamin’iny taona nivalona iny avokoa ny 50%-n’ny fampanantenana nataony tamin’ny vahoaka nandritra ny propagandiny.
Anisan’ireny ny fahavitan’ny làlana 4km izay vita rarivato tanteraka ny 2 km. Lalana 15 km hafa ihany koa ny namboarina hanana endrika tsara kokoa noho ny teo aloha toy ireo tsy vita rarivato. Teo amin’ny sehatry ny fanabeazana dia sekoly ambaratonga fototra roa ao Ambohimpamonjy sy Ambohimahitsy izay efa tsy niasa nandritra ny 30 taona no nasiam-panarenana ary efa miasa soa aman-tsara. Mpianatra miisa 75 isanisany no manovo fahalalana amin’ireo EPP ireo ary efa saika lasa mpiasam-panjakana avokoa ny mpampianatra mandray an-tànana izany. Ampy tsara ihany koa ny dabilio sy ny seza amin’ireo sekoly ireo hoy hatrany ny Ben’ny tanàna ary efa nakana indray aza nentina nanampiana ireo EPP sasany tena sahirana hafa. Mbola nanampy ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra tamin’ny fampidirana an-janany an-tsekoly ihany koa ny kaominina ny volana Septambra teo. Lela-vola 10.000 ka hatramin’ny 50.000 Ar no nomena ny tsirairay tamin’izany niankina tamin’ny isan’ny zanany nentina nanampiana azy ireo tamin’ny saram-pisoratanan’anarana sy ny saram-pianarana. Efa misokatra ihany koa ny tsena isaky ny andro Sabotsy hoy hatrany ity Ben’ny tanàna ity izay nanafoana ny mpivarotra amoron-dalana. Hafa dia hafa mantsy ny paikady nampiasain’izy ireo satria dia nomena fankasitrahana 10.000 Ar isanisany avy ny mpivarotra ka samy niditra naka toerana avokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.