Difotry ny olana ara-tsosialy ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy noho ny hasarotan’ny fiainana. Betsaka ireo tsy afaka mampiana-janaka intsony noho izany. Maro ireo tsy misakafo ara-dalàna intsony noho ny tsy fananan’asa….
Hijery manokana ireny karazana olana ireny Rado Ramparaoelina, kandida Ben’ny tanàna laharana fahatelo ao amin’ny kaominina Ampitatafika raha vao lany eo. Omeny sehatra voalohany amin’izany ny fanabeazana ka hisy ny fananganana sekoly vaovao sy ny fanohanana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Hojerena ihany koa ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny alalan’ny fampidirana jiro, tsy ho latsa-danja ny rano fisotro madio. Ankoatra izay dia anisan’ny hampiavaka ny dimy taona hitantanan-dRado Ramparaoelina ny kaominina Ampitatafika ny famoronany asa ho an’ireo tsy an’asa ao amin’ny faritra iadidiany. Eo amin’ilay tanimenabe novidian’olon-tsotra no hanaovana izany izay hananganana toerana manara-penitra toa an’ny galaxy eny Andraharo. Toerana 12 m x 300 no hanaovana azy. Hanamboatra biraon’ny kaominina vaovao ihany koa ny tenany. Tany nomen’olona azy no hatolony ho an’ny kaominina Ampitatafika hananganana izany noho ny fahateren’ny toerana fiantsonan’ny fiarakodia ao amin’ny toerana misy ny kaominina ankehitriny. Fotoam-pivavahana nentina nangatahina tso-drano tamin’Andriamanitra tao amin’ny Ekar Masimbavy Cecile Tangaina omaly no nentin’ity kandida iray ity nanokafana ny fampielezan-kevitra hatrehiny.
Pati sy Marigny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.