Politique

Kaominina Ampitatafika Hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana


  • Zoma 23 Martsa 2012

Taorian’ilay fanafihana goavana nihatra tamina tokantrano efatra indray nipoaka tao anatin’ny Kaominina Ampitatafika Atsimondrano ny sabotsy hifoha alahady lasa teo dia tsy nitazam-potsiny ny Kaominina Ampitatafika, fa nandray ny andraikiny avy hatrany.

 Nisy ny famoriana ireo sefom-pokontany manerana ireo Fokontany 13, narahin’ireo zandary avy amin’ny tobin-janaparitra miisa efatra eo ambany fiahian’ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenenan’i Fenoarivo nahitana an’i Faliarivo, Ampitatafika, Anosizato ary Fenoarivo lehiben’izy ireo, niaraka tamin’ny lehiben’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Araka ny fanazavan-dRakotonizao Liva, tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina, dia savaranonando fotsiny ihany aloha no anton’ny fihaonan’izy ireo tamin’io andron’ny alarobia io izay marihina fa tsy azon’ny mpanao gazety natrehina. Anisan’izany ny famoaboasana ny andraikitra tokony horaisin’ny tsirairay avy manoloana ny trangan-javatra tahaka ireny fa tsy hiolonolona fotsiny. Tafiditra tao anatin’izany ny fanomezana ny sefom-pokontany tsirairay avy ny laharana finday tokony hahazoan’ny isan-tokantrano ny mpitandro ny filaminana raha sanatria ka misy zavatra mitranga. Teo ihany koa ny fifanomezan’ny roa tonta paikady sy torohevitra izay nijanona ho tsiambaratelon’izy ireo ihany. Nambarany fa anisan’ny lesoka ny havitsian’ny zandary eny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT