Politique

Kaominina Ambonivohitr’i Betafo Tafapetraka ofisialy ny ben’ny tanàna Livasoa


  • Zoma 31 Janoary 2020

Tontosa soa aman-tsara tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia 29 janoary lasa teo ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitr’i Betafo Randriatahinamalala Livasoa Moratiavina.

 

 Tontosa soa aman-tsara ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny ben’ny tanàna teo aloha, ka teo ambany fiahian’ny lehiben’ny distrikan’i Betafo ny lanonana ara-panjakana. Kandida tamin’ny anaran’ny Firaisankinan’i Betafo, ary notohanan’ny antoko Tia Tanindrazana ny tenany tamin’ny fifidianana. Noho izany indrindra dia tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ara-panjakana ny Birao politikan’ny antoko notarihin’ny Filoha nasionaly Atoa Tahina Razafinjoelina sy ny Sekretera Jeneraly Atoa Schall Ramanantsoa. Fanamby goavana ny tsy hampitsanga-menatra an’i Betafo amin’ny lafiny fampandrosoana, ary vonona ny hifanome tànana amin’izany herivelona rehetra ao an-toerana sy ny mpira-miombon’antoka samihafa. Hanao izay ho afany amin’ny fanatanterahana ireo vinam-pampandrosoana nanomezana toky ny vahoaka ny antoko Tia Tanindrazana sy ity ben’ny tanàna tanora ao anatin’ny heriny tanteraka ity. Tanjona ny tsy hampitsanga-menatra ny Kaominina Ambonivohitr’i Betafo.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT