Politique

Kaominina ambonivohitra Antsirabe Mibaby trosa tsy fidiny, hoy ny Ben’ny tanŕna


  • Talata 12 Janoary 2016

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Ben’ny tanŕnan’Antsirabe Razanakolona Paul manoloana ny trosa voatery nobaben’ny kaominina nataon’ireo mpitantana teo aloha. Araka ny nambarany dia tafakatra 140 tapitrisa Ar isam-bolana amin’izao ny

 

karaman’ireo mpiasa eo anivon’ity kaominina iray  iadidiany  ity raha  mahatratra 420 ny isan’ireo mpiasa. Ny antsasak’ireo latsaka anefa dia tsy misy miasa fa miandry birao fotsiny ka miteraka vesatra ho an’ny kaominina fotsiny. Manoloana izany dia fantatra fa tsy maintsy handray fepetra ingahy Ben’ny tanàna ity. Mikasika ny vola azo manokana eo amin’ny tsena dia nambarany fa  5 tapitrisa Ar eo ho eo ny hetra azony amin’ny tsenan’Asabotsy amin’izao, vola miditra amin’ny kaominina.  Mikasika ny posiposy kosa indray dia 4 950 ny isan’ireo miasa ao an-tampon-tanàna ankehitriny ary 2.000 ny siklôposy. Apetraka tsy ho ela ny fepetra hahafahana manome carte grise ireto farany hanjary ho vola miditra eo anivon’ny kaominina.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT