Politique

Kaominina ambonivohitr’i Mahajanga Nesorina ny Ben'ny tanŕna ?


  • Alakamisy 14 Jolay 2016

Tezitra ny avy ao amin'ny mpanolotsaina monisipalin'i Mahajanga raha izy ireo no voatonontonin'ireo mpandray anjara tamin'ny fandaharana famohamandry tamina fahitalavitra tsy miankina iray ao Mahajanga omaly alarobia fa izy ireo no nanala ny Ben'ny tanŕna Andriantomanga Mokhtar.

 

 Tsy marina velively izany, hoy ny filohan'ny filankevitra monisipaly, Rasoanaivo Paul Gervais. Mbola manohy ny asany ara-dalàna ny Ben'ny tanàna. Mason-tsivana telo no mety hanesorana ny Ben'ny tanàna raha toa ka tsy maintsy ho tonga amin'izany, hoy ny filohan'ny filankevitra, dia na maty ilay Ben'ny tanàna am-perinasa na nigadra na nametra-pialana, saingy tsy mbola mitranga ireo rehetra ireo. Afaka mangataka fampiatoana ny asany kosa ry zareo ao amin’ny fahefana mpanao lalàna raha toa ka hita ho tsy nahavita ny andraikiny mihitsy ny Ben'ny tanàna. Tsy mbola nanao izany izahay, hoy hatrany ny filohan'ny Filankevitra monisipalin'i Mahajanga.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT