Notanterahina ny sabotsy 12 oktobra lasa teo tao Ambohipeno ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo kandidan’ny antoko TIM ho an’ny kaominina Ambohimanambola.
Ny fotoana dia notarihin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Andriamatoa Gerry Randriambolaina sy ireo biraon’ny antoko eo anivon’ny distrika. Nohamafisin’Andriamatoa solombavambahoka fa nandalo sivana ireo kandida ary ny fanendrena dia nataon’ny filohan’ny antoko Andriamatoa Marc Ravalomanana. Ny vina napetrak’ireo kandida dia mifototra amin’ny fampandrosoana ifotony ary mifandraika amin’ny fomba fijerin’ny antoko. Fivavahana no nanombohana ny fotoana. Ramatoa Nantenaina Rahagarison no kandida ho Ben’ny tanàna, mitondra ny laharana faha-5 amin’ny bileta tokana. Nohamafisiny tamin’ny lahateny nataony ny fahavononany hitondra ny kaominina. Efa hananako, hoy izy, ny drafitra ombam-paikady entina hampandrosoana ny kaominina. Tsy nionona tamin’ny fahafantarany ny kaominina nandritra ny fotoana naha ben’ny tanàna lefitra azy izy fa mbola nidina nitety ireo vohitra 47 mandrafitra ireo fokontany 10 naka ireo hetahetan’ny mponina. Ny fampandrosoana ny sosialy, hoy izy no anisan’ny laharam-pahamehana anatin’ny lahasa izay hataony. Nampahafantarina ihany koa ireo mpanolotsaina izay mitondra ny laharana faha-8 amin’ny bileta tokana. Naneho ny fahavononany hitondra fampandosoana sy hikatsaka ny mahasoa ny tanàna koa izy ireo. Tsy ho tsangan’olona fotsiny fa tena hijoro hanao ny asany. Mahafantatra ny filan’ny vahoaka izy ireo ary vonona hitondra izany eo anivon’ny mpitondra mpanatanteraka. Tonga avokoa ireo solontena dimy isam-bohitra. Velom-panantenana izahay, hoy izy ireo ary miombona tanteraka amin’ny teny filamatra hoe : “ho reharehantsika Ambohimanambola”.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.