Politique

Kaominina Ambohidratrimo Ankazodandy ”Safidin’Andriamanitra i Marc Ravalomanana”


  • Alatsinainy 12 Septambra 2011


 Misaotra anareo eto amin’ny Kianjan’ny Magro nitolona hatrany, hoy ny solontenan’ny Kaominina Ambohidratrimo Ankazondandy nandray fitenenana tao an-toerana tamin’ny sabotsy 10 septambra, ary misaotra ny olona tonga manentana tany aminay koa ka dia tonga izahay ankehitriny. Natahotra basy tokoa ny vahoaka, hoy izy, ka tsy sahy nijoro fa tonga saina ankehitriny fa tsy ilaina intsony ny matahotra satria ny tantsaha no maro an’isa ka maniry mafy ny hodian’i Dada.

Safidin’Andriamanitra ny Filoha Marc Ravalomanana, hoy izy, ka izay manohitra izany dia mafanohitra amin’ny sitrapony. Tsy kanosa isika fa ny antsika dia ny ara-dalàna ihany, hoy kosa ny solontenan’ny Zokiolona toa nanamafy izany fahasahian’ny tantsaha avy any Ankazondandy izany. Eran’ny tanàna dia feno antsika manao fanamiana, hoy izy, «izay zokiolona dia manohana an’i Dada hatrany satria izy no nitondra ary hitondra fandrosoana».

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT