Mbola lany ho Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambalavao atsimo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano hatrany Razanamahefa
Njatonirina. Efa fanintelo izao no nitantanany ny kaominina saingy noho ny fiaraha-miasa matotra nisy teo aminy sy ireo mponin’Ambalavao dia mbola napetrak’ireo farany aminy ihany ny fitokisana. Hamaly fitia ireo vahoaka nandatsa-bato ho azy ny tenany. Hiompana amin’ny asa fampandrosoana izany raha araka ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, indrindra fa ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Tantsaha mpamokatra avokoa mantsy ny 80 %-n’ireo mponina ao Ambalavao atsimo. Ankoatra izay dia vonona hiara-kiasa amin’ny rehetra ny tenany hahafahana mampandroso ny kaominina, hoy hatrany izy ka tsy hanavahany izany rehefa tonga mandom-baravarana ao aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.