Teboka telo lehibe no azo tsinjraina ny zava-bita nandritra izay efa-taona izay, hoy Marc Ramiaranjatovo, ben’ ny tanàna ao amin’ ny kaominina Alasora. Voalohany, ny fametrahana ny fepetra rehetra hamerenana ny fitantana ara-dalàna sy mahomby teo anivon’ ny
kaominina izay nahazoan` ny kaominina ny loka voalohany tamin’ ny « Prix de bonne gouvernance et de la lutte contre la corruption » tamin` ireo kaominina manerana ny nosy ny taona 2018. Faharoa dia ny fametrahana sy fanatanterahana ny vina sy tetikasa. Tao ny fametrahana ireo fotodrafitrasa fototra izay tena nilain’ ny vahoaka toy ny sekoly,… Tetikasa anankiray heverina hotanterahina ao Alasora ihany koa ny fanorenana toho-drano lehibe, hanondraka velaran-tany 400 ha ao Andriambato Antangirika. Tetikasa hiarahana amin’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) izy ity ary efa natolotr’ity farany ho an‘ny Ben’ny tanàna ny tombam-bidy hanamboarana izany toho-drano izany, izay mitentina 8 miliara ariary. Farany, nijery mivantana ny fiainan’ ny vahoaka ny kaominina satria niahy olona nanana tetikasa manodidina 250 ka nizarana vola 50 tapitrisa ariary nandritra ny taona 2018-2019. Ankoatr` izay, iray amin’ireo vavahady hidirana an’Antananarivo ny kaominina ambanivohitra Alasora ka manana fanamby ny hanome endrika miavaka an’ity kaominina tantanany i Marc Ramiarinjatovo. Tetikasa isan’ny hotanterahina ny hananganana ny lapan’ny tanàna vaovao, izay hanana endrika tsara tarehy. Hisy rihina 5 izy io, ka hitambatra ao avokoa ireo birao rehetra. Hanokanana toerana ho an’ny tanora sy tranom-boky ihany koa ao anatiny ary hisy efitrano roa lehibe handraisana an’ireo mpisora-panambadiana. Ankoatra izay dia hampiavaka an’ity lapan’ny tanàna ao Alasora ity ny fisian’ny trano honenan’ireo Ben’ny tanàna hifandimby. Mba hanatsarana endrika ny tanàna hatrany moa dia ho amboarina ihany koa ny tsenan’Ankadindratombo, mba tsy hameno ny lalana intsony ireo mpivarotra. Mitohy kosa ny fanamboarana ny lalankely, ny lalana sy ny tranon-tsekoly.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.