Tamin`ny alalan’ny fotoam-bavaka no nisantaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ny fampielezan-kevitra izay nandrotsaka an`i Jimmy Randriantsoa ho kandidà ben`ny tanàna ao amin`ny kaominina Alasora.
Avy eo dia niroso tamin`ny fanentanana ny kandidà sy ny mpiara-dia aminy hampahafantatra amin`ny vahoaka ireo laharam-pahamehany rehefa tonga eo ka anisany ny rano fisotro madio. Efa mihevitra azy io ho vaindohan-draharaha koa satria aina ny rano ary fototry ny fahombiazan'ny fambolena. Ny 70 %-n’ny mponina eto Alasora dia mpamboly ary mivelona amin'ny asa fambolena ka singa iray amin`ny fanatsarana ireo seha-pihariana ireo ny rano fisotro madio. Noho izany, fampidiran-drano ho an'ny tantsaha mihitsy no asa atao eto. Ho laharam-pahamehana ihany koa ny fanatsarana ireo lalana eny amin`ny elakela-trano. Zava-dehibe mifandraika amin`izany ny lafiny fitaterana satria 7 km monja miala amin`ny tanàn-dehibe no misy an`ity kaominina ity kanefa am-polony taona maro no misedra olana. Efa maro ny asa vitany tao saingy tsy maintsy hatsaraina ny tanàna sy ny fari-piainan`ny vahoaka amin`ny alalan`ny fifaninanana eo amin`ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Efa maniry sahady ny hisian’ny fiaraha-miasa amin'ireo kaominina manodidina na "inter-coopération des communes" ny tenany. Teknisianina ary injeniera misahana ny resaka fotodrafitrasa rahateo izy, raha ny fanamarinan’ireo akaiky azy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.