Misavoritaka ambony ambany amin’izao fotoana izao ny zava-misy ao amin’ny kaominina ambanivohitra Tsaraeso, distrikan’i Betroka
. Tsy fantatra intsony izay tena ben’ny tanàna ao an-toerana taorian’ny fametrahana amboletra ny ben’ny tanàna mpisolo toerana nanomboka ny volana novambra 2015 teo, raha ny fanazavan’ny ben’ny tanàna voafidy tao an-toerana, Etono Marcellin Benois. Nizotra tamim-pilaminana, ny fifidianana tany an-toerana ny 31 jolay 2015, hoy ity ben’ny tanàna voafidy ity. Tsy nisy fanamarihana ihany koa ny tatitra an-tsoratra (P.V) izay nalefa tany amin’ny tompon’andraikitra. Nisy nitory ahy ho nangala-bato, hoy izy, avy eo saingy voaporofo fa tsy nitombina ny fitoriana. Natao ny fametrahana tamim-pomba ofisialy ny tenako ary efa nandray ny asako efa-bolana aho vao naharay antso avy amin’ny filankevi-panjakana fa tsy izaho indray no ben’ny tanàna. Ny nahagaga dia tsy mba nanaraka arofenitra akory, toy ny nataon’ny tribonaly misahana ny raharaham-panjakana (tribunal administrative) ny tsy maha olo-meloka ahy fa avy dia nametraka olon-kafa hisolo ny toerako ny fanjakana. Notoriana indray aho taty aoriana fa nanakarama dahalo nanapoaka basy in-telo tao amin’ny fokontanin’Ambondrombe, hono, sady nampiditra vato amboletra tao anaty vata fandatsaham-bato tamin’ny anarako. Tsy vitan’izay fa nanova ny P.V sy ny isam-bato teny an-dalana ihany koa. Tsy mitombina anefa ny fiampangana fa ireo no nahalany ny tenako satria tsy hisy olona mbola hifidy sy hahavita P.V ary nahare poa-basy, hoy izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.