Manomboka tsapa ety ivelany ny olana eo anivon’ny Kaominin’i Toamasina Renivohitra.
Olana eo amin’ny mpiasa nitaky fanovana teo aloha sy ny ekipan’ny PDS vaovao miaraka amin’ny mambran’ny kabinetrany. Amin’ireo mpiasa dia ny fahataran’ny fandoavana ny karamany ny volana mey sy jona teo no tena tsy zakan’izy ireo. Ny volana jona teo, araka ny fanazavana azo, dia tsy mba afaka nifety tahaka ny vahoaka rehetra ny mpiasa noho ny fahataran’ny fandoavana ny karama. Ny olana dia noho ny tsy fahampian’ny vola teo anivon’ny Kaominina nandoavana izany. Eo indrindra no mahatonga ny mpiasa mitady hampiaka-peo ankehitriny, satria raha ny fanazavana nomen’izy ireo dia efa nahatratra 40 tapitrisa Ariary ny vola lany tamin’ny dia nataon’ireo delegasionina efatra notarihin’ny PDS tany Chine farany teo, ary mbola manodidina izany koa no navoaka tamin’ny dia nataon’izy ireo tany Eoropa ihany koa. «Efa ambara fa tsy manam-bola ny Kaominina, nefa izao dia delegasionina efatra, dia ny lefitra voalohan’ny PDS, ny tale teknika teo aloha lasa inspektera, ny talen’ny fandaminana ny tanàna izay nandeha taloha ary lehiben’ny servisy misahana ny fifandraisana ivelany sy ara-tsosialy, ihany koa nalefa any Eoropa, izay namoahan’ny Kaominina vola 240 dolara isan’olona isan’andro ankoatra ny saran-dalana», hoy hatrany ireto mpiasa.
Nomarihan’izy ireo ihany koa fa «toa izahay mpiasa madinika hatrany no miaritra ny fandaniam-bolan’ny lehibe eo anivon’ny Kaominina. Raha tsy misy ny vola, nahoana raha samy mihafy ny rehetra ka ireo asa tsy vita any ivelany, iandrasana Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka ny fanaovana azy, na fantatra aza fa fifanarahana entina hanatsarana ny tanàna no atao any ?». Milaza ny mbola hifandinika tsara amin’ny PDS Toalina Zafindrabary ireto mpiasan’ny Kaominina ireto mikasika ny olana sedrainy isam-bolana ka arakaraka izay no hisian’ny fitakiana ho fanalana ireo mambra ny kabinetran’ny Kaominina mpandany vola ireo. Hatahorana hiverina indray izay ny fitokonana lava reny toy ny teo aloha ny mpiasa, raha tsy miravona haingana ity raharaha momba ny fandoavana ny karaman’ny mpiasan’ny Kaominin’i Toamasina renivohitra ity.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.