Raikitra indray ny ady totohondry sy ny sakoroka teo am-pidirana ny lapan’ny tanŕnan’i Toamasina omaly maraina tokony ho tamin’ny 10ora, fotoana fahatongavan’ny ben’ny tanŕna niditra ny biraony iny indrindra.
Nanapa-kevitra mantsy ireo mpiasa mitokona mitaky ny zony fa hitondra ny fangatahany sy ny hetahetany mivantana amin’ny ben’ny tanàna, izay tsy mety mandray azy ireo hatramin’izao. Vao niakatra hamonjy ny fidirana teo amin’ny lapan’ny tanàna anefa ireto mpiasa mitokona, dia efa niandry teo ireo « gros bras » izay nambaran’ingahy ben’ny tanàna tamin’ny fiantsoana mpanao gazety fa noraisina mihitsy hiaro azy sy ny lapan’ny tanàna. Fifamaliana aloha no niandohany, avy eo nivadika ho ady totohondry ary tonga tamin’ny sakoroka izay nandrasain’ireo vehivavy mpiasa sy mpiaro ny ben’ny tanàna ihany koa ny raharaha. Tao anatin’izay, nisy tamin’ireo Emmo-Securité no nanampy ireto « gros bras », nisy kosa ireo nanao ny asany nandrava ny sakoroka tsy hisian’ny faharatrana sy ny aina mety hafoy. Nilamina ihany ny raharaha ary samy namonjy ny toerana misy azy ny tsirairay. Nilaza ny hanohy ny fitakiany ireto mpiasa mpitokona anio. Tsy nisy aloha ny fisamborana sy ny naratra saingy niverin-dalana avokoa ireo manan-draharaha teo anivon’ny kaominina, toraka izany koa ireo saika hanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny ben’ny tanàna nahitana ny lehiben’ny zandary sy ny fiarovam-pirenena tonga ao Toamasina. Tsy raikitra ihany koa ny fitsidihana ara-pomba fifanajana saika hataon’ireo solontenan’ny masoivoho Indiana tonga ao Toamasina amin’ny fanomanana ny fahatongavan’ilay sambo mpiady Indiana mandalo ny fari-dranomasina Malagasy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.