Nivory tsy ara-potoana ny ireo mpanolontsain’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra.
Nifantoka tamin’ny lahadinika 3 ny fandaharam-potoana nandritra ny 3 andro nifarana omaly. Nankatoavin’ny maro an’isa tamin’izany ny fanitsiana ny rafitra antanatohatra (organigramme) manafoana ny lefitry ny ben’ny tanàna fahatelo miaraka amin’ny famoronana sampandraharaha iray vaovao misahana ny fanadiovana ny tanàna amin’ny ankapobeny. Lanin’ny besinimaro mifanaraka amin’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana moa ny fanitsiana ny tetibola tsy nahitana fiovana. Neken’ny mpikambana ao amin’ny filankevitra monisipaly ihany koa ny fifampiraharahana miaraka amin’ny orinasa Tiko amin’ny fandraisana ireo fiarakodia voasazy tsy ara-dalàna vonjimaika, araka ny fanazavan’ny filohany Andriambahoaka Faustin. Diso kosa ny vaovao aely mikasika ny lafiny ara-bola eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanàna Andriamorasata Julien. Mbola sahirana tokoa ny Fiadidiana ny tanàna saingy mihatsara hatrany ny fampidirambola tao anatin’ny 8 volana nitantanan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny ekipany. Voaloa ara-dalàna, ohatra, ny karaman’ny mpiasa miaraka tambin-karama fahafahampo. Torak’izany ny firosoana tsikelikely amin’ny fampiasambola momba ny fanadiovana ny tanàna, hoy ireto tompon’andraikitra eo anivon’ny CUA ireto.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.