Tafapetraka ny faran’ny herinandro teo ny antontan-taratasy firotsahan-kofidian’ny kandida depiote avy amin’ny vondrona TIM.K25 ao amin’ny Boriboritany faha-4, Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Mitarika izany lisitra izany kolonely Emilien Ramboasalama, faha-2 ao amin’ny lisitra Andriamatoa Landry, izay lehiben’ny tsena ao Anosibe, miaraka amin’ny mpisolo toerana 2 izany lisitra izany. Lisitra avy amin’ny vondrona TIM.K25, izay efa nahazo tsodrano avy amin’ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana. Ny sabotsy teo no nampahantarina ireo mpikatroka avy amin’ny vondrona TIM.K25 ao amin’ny Boriboritany faha-4, teny Namontana, ireto kandidà depiote ireto. Nohamafisin’ny kandidà loha-lisitra, kolonely Emilien Ramboasalama tamin’izany, fa ny lisitra izay tarihany no hany avy amin’ny vondrona TIM.K25 ao amin’ny Boriboritany faha-4, nahazo ny tso-dranon’ny mpitarika nasionalin’ity vondrona antoko ity, Marc Ravalomanana. Na izany aza hoy izy, ho kandidà solombavambahoaka vonona hihaino, hampiray, hamaha ny olan’ny mponina ary tsy manavakavaka izy ireo. Ka miantso hatrany ny rehetra hanatevina azy satria solombavambahoaka roa no tanjona ho azon’ny TIM.K25 ao amin’ny Boriboritany faha-4. Ankoatra izany, vonona izy ireo hanatratra ny tanjona maha- mpitondra tenin’ny vahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena, ka hidina ifotony hamaha sy hanamaivana ny olam-piainana andavanandron’ny mponina rehetra ao amin’ny Boriboritany faha-4.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.