Politique

Kandidan’ny TIM K25 Manjakandriana Za-draharaha ary vonona ny handresy


  • Talata 19 Martsa 2019

Ny filohan’ny DisTim Manjakandriana, Randriamanga William Henri no voafidin’ny fototra Tim tao amin’ny distrikan’i Manjakandriana ho kandida solombavambahoaka avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM) hiatrika ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey 2019 ho avy izao.

 

 

 

Nahazo tso-drano tamin’ny filoha mpanorina ny antoko, Marc Ravalomanana ny lehilahy ary vonona hitondra ny fanevan’i Manjakandriana amin’izay fifidianana izay. Efa za-draharaha amin’ny fitantanana ny tenany tamin’ny toeram-piasany teo aloha, ary mbola nohamafisiny izany nandritry ny naha-filohan’ny DisTim azy tao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana hatramin’izao. Nambaran’ity kandida solombavambahoaka ity, fa hanarina ny lesoka ary hitondra fampandrosoana amin’ny lafiny rehetra ny tenany. Eo aloha raha ny nambarany ny sehatry ny fampiroboroboana ny tantsaha amin’ny fanohanana azy ireo, eo ny tanora amin’ny filàny sy ny tokony hijerena azy ireny eo amin’ny fampitaovana sy ny fiofanana, fa eo indrindra ihany koa ny ray sy ny renim-pianakaviana miatrika ny fiainany.  Manamafy ny hanasoa ny vahoaka sy hitondra ny teniny ity kandida ity. Vonona hatrany, ary tsy miandry ela fa avy hatrany dia roso ny dia raha ny nambarany satria Manjakandriana dia loha-laharana foana hatramin’izay, ary  fanoitra miakatra ho fampandrosoana an’i Manjakandriana sy ny manodidina no tanjona amin’izao maha-kandida solombavam-bahoaka an-dRandriamanga William Henri ao Manjakandriana izao.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT