Politique

Kandidan’ny TIM K25 –Boriborintany faha 4 Vonona hiaro sy hanampy ny vahoaka


  • Talata 19 Martsa 2019

Ramboasalama Emilien sy ny mpiray lisitra Hany kandidan’ny TIM ao amin’ny Boriboritany faha-4 Efa fantatra avokoa ankehitriny ireo kandida depiote natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM)

 

 

manerana an’i Madagasikara. Raha ho an’ny boriboritany faha4 manokana dia ny kandida Ramboasalama Emilien irery ihany no kandidan’ny TIM nahazo ny tsodrano avy amin’ny filoha nasionalin’ ny antoko Tiako i Madagasikara dia ny filoha Marc Ravalomanana , ary nankatoavin’ny fototra (base) ny fanolorana azy ho kandida . Manoloana izany , tsy misy intsony ny sakantsakana fa roso ny dia , vonona ny kandida Ramboasalama sy ny mpiray lisitra aminy, miaraka amin’ireo mpikatroka Tiako i Madagasikara , ka ny tanjona dia ny hampitambatra ny hery rehetra mba hitondra ho any amin’ny fandresena . Raha ny zavatra misy ankehitriny dia asa tonga dia vavany ny an’ny kandida Ramboasalama Emilien , ka nisy ny fijereny ny olana mahazo ny mponina ao amin’ny faritra maro ao amin’ny boriboritany faha4. Avy hatrany izy dia manome vahaolana , ka na tsy andraikitry ny depiote aza ny manamboatra fotodrafitr’asa , dia niezaka izy nanamboatra ny tetezana izay mampijaly ny mponina tao Maroroho Tsimbazaza izy sy ny ekipany . Teo ihany koa ny nanamboarany ny lalana teo amin’ny CEG Anosibe ny faran’ny herinandro teo, izay efa nampikaikaika ireo mponina sy ireo mpianatra noho ny fotaka mandrevo rehefa avy ny orana.Olon’ny asa ary vonona hitondra ny hetahetan’ny vahoaka sy hiaro hatrany azy ireo i Ramboasalama Emilien, na i Rambô no hahafantaran’ny maro azy, zanak’omby tsy ampianarin-domano rah any momba an’Antananarivo satria efa nitana andraikitra ambony teo anivon’ny kaominina ny tenany, ary fantatra fa hentitra rehefa miasa.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT