Kandida ben’ny tanàna eny amin’ny kaominina Antehiroka amin’ny anaran’ny antoko TIM Atoa Rajaonera Samy Andrianavalomalala. Tafapetraka teny amin'ny OVEC ny alarobia 11 septambra teo ny taratasy filatsahan-kofidiana miaraka amin’ireo lisitry ny mpanolotsaina TIM miara-dia aminy.
Naneho izy sy ny ekipany fa vonona tanteraka amin’ity fifaninanana masina ity, ary tsy hitsapatsapa fa hanao izay faraheriny amin’ny fampandrosoana an’Antehiroka. Efa niomana sy vonon-kandresy fa tsy hanao kitsapatsapa ary mahalala tsara ny filan’ny vahoakan’Antehiroka mba tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa ity kaominina ity. Amin’ny anaran’ny TIM ny firotsahana fa tsimialonjafy amin’ny fiaraha-miasa sy ny fifanohanana izy ireo satria ny fampandrosoana no laharam-pahamehana, ka dia misokatra amin’ny rehetra vonona hifanome tànana amin’izany ny kandida Rajaonera Samy sy ny ekipany. Maro rahateo ny fikambanana sy ny olom-pirenena voalaza fa efa naneho fahavononana hiara-kikatsaka ny soa ho an’Antehiroka miaraka amin’izy ireo satria ny miasa miaraka no fahombiazana, araka ny toromarika famerimberin’i Marc Ravalomanana matetika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.