Anisan’ny miaro ny ombin’ny mponina tsy horobain’ny dahalo ny kandidà Tim, ao amin’ny kaominina Ambahikily, distrikan’i Morombe, faritra Andrôy, Atoa Mahatratry Jean.
Nambarany fa tsy misy ny antontan-taratasy anenjehana azy, nefa dia iharan’ny antsojay sy ny teritery ary ny ramatahora sahady ity kandidàn’ny Tim ity. Araka ny fanazavana voaray, dia tadiavin’ireo mpitandro ny filaminana hogejaina ny fananany, mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Atao avokoa mantsy izay fomba rehetra tsy hahatongavan’ity kandidà ity, amin’izay fampielezan-kevitra izay, hoy ny nambarany. Nanamafy anefa Aoa Mahatratry Jean fa na dia ao aza ireo karazana fampitahorana sy fampihorohoroana atao aminy, dia vonona ny hiaro ny vahoaka sy ny fananany hatramin’ny farany izy, na dia hofofoana aza ny ainy, hoy hatrany izy. Nanamafy ny kandidà, fa tsy maintsy ho avy ny propagandy ary hiatrika vahoaka ao amin’ny kaominina Ambahikily izy na dia misy aza izay fampitahorana atao aminy izay. “Antony anenjehana ahy, hoy izy dia mahavita miaro ny vahoaka sy ny ombiny tsy ho lasan’ny malaso, ka izay no antony hanaovana izay fomba rehetra hanosoram-potaka sy hahakivy ahy, manoloana izao firotsahako hofidiana ben’ny tanàna izao”, hoy hatrany izy. Andrasana noho izany, izay mety ho tohin’ity raharaha manjo an’ity kandidà Tim ao Morombe ity izao.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.