Re ankehitriny fa mitady hanao bodongerona sy tery vaimanta ireo kandida IRK na dia efa resy mazava be izao ary.
Ohatra amin’izany ny ao amin’ny kaominina Betafo Antsirabe sy ny etsy alakamisy Fenoarivo, izay samy miara-dia amin’ny antoko Tia Tanindrazana. Mitory ireo kandidam-panjakana na dia resy mazava be ary tamin’ny vokatra feno izay nangonin’ireo solontenan’ny kandida aza. Manodidina ny 20% ny elanelam-bato fa tsy mba hoe 5% na 10% akory. Heno ihany koa fa maro ireo any amin’ny faritra no mahazo tsindry hazo lena tahaka izao, ka mety hitroatra satria maro loatra ny tsy rariny. Dia tsy mba manana “fair play” mihitsy ve fa hampihatra hatrany ny fahefam-panjakana sy hanao bodongerona na dia resy mazava ary ? Antenaina fa hitsinjo lavitra ka hampilamina ny tokantranony ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny IRK, ka tsy hinia handany olona tsy lany. Mety hiteraka kirizy eto amin’ny firenena indray mantsy ny zavatra tahaka izao satria tsy ny TIM na ingahy Ravalomanana irery intsony no adversera fa olona maro miampy ny vahoaka ao an-damosiny. Ny taham-pandraisana anjara ambany dia ambany, izany hoe tsy marin-toerana intsony fahefam-panjakana, ka vao mainka miantso loza ho azy raha mbola hanaotao foana handrehitra afo eo. Raha tsiahivina ny kandida lany tao Betafo, Atoa Randriatahinamalala Livasoa dia efa lany ihany koa tamin’ny fifidianana solombavambahoaka tany amin’ny distrikan’i Betafo fa nosomparan’ny sasany tamin’ny fotoana farany ka natao tamin’izany ny fanafoanana ny latsa-bato tamina biraom-pifidianana maro nandreseny. Efa nanatona ny SRMV ity kandida miara-dia amin’ny antoko Tia Tanindrazana ao Betafo ity nangataka ireo voka-pifidianana kanefa dia nolavin'ireo izany fangatahana izany. Ny CENI foibe anefa dia milaza mazava fa zon'ny kandida ny mahazo izany, koa vao mainka manamafy ny ahiahy amin'ny mety ho fikotrehana fanodinkodinana safidim-bahoaka izany tranga izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.