Nitory any amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ao Toamasina mba hanintsanana ny kandida laharana faha-4 Randrianasolo José Clément, izay atolotry ny IRD ao amin’ny kaominina Ambanivohitr’i Brickaville ny kandida laharana faharoa Randriatovoniaina Aristide.
Ny 5 novambra teo no tafapetraka ny fitoriany. Efa nohelohin’ny fitsarana Ambony didy raikitra ady sivily laharana CATO-165-CO/18 ny 07 martsa 2018 izy io, ka tsy mahazo manao asa sy andraikitra ara-panjakana mandritra ny roa taona sy mandoa onitra sivily 10 tapitrisa ariary ihany koa. Resaka adin-tany tafiditry ny resaka fisandohana no nanenjehana azy. Mahagaga fa mbola nekena ny filatsahan-kofidian’io kandidan’ny IRD io kanefa tsy mbola tapitra ny saziny roa taona. Fanitsakitsahana lalàna sy fitanilana, izay efa midika ho tsy fitovian’ny herijika ho an’ny kandida io raha olona efa voaheloka tamin’ny didy raikitra izao no mbola afaka mirotsaka ho kandida. Miantso fandraisana andraikitra am-pahendrena avy amin’ny fitsarana mahefa noho izany ny kandida laharana faha-2 Randriatovoniaina Aristide, dieny tsy lasa lavitra ny raharaha. Mety hiteraka korontana ao Brickaville io satria efa endrika fanomezana vahana ny kandida atolotry ny mpitondra, ary mbola mampanahy ny lalao maloto, toy ny hala-bato. Mahatoky ny fahendren’ny vahoaka ka hahay hisafidy ny olo-marina sy madio kosa ny kandida laharana faha-2 Randriatovoniaina Aristide, izay naneho fa tsy hamitaka ny vahoaka any an-toerana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.