Vita an-dromoromo ny vovonam-pirenena voalohan’ny antoko TGV na Tanora Malagasy Vonona natao teny amin’ny Futura Andranomena nyNatao indrindra hanomanana ny fiatrehana ny fifidianana ho avy izy io, ary koa nanendrena izay kandida hitondra ny loko volomboasary amin’ny 24 jolay 2013, rehefa tsy nirotsaka ihany ny filoha mpanorina, Andry Rajoelina. Karazan’ny fombafomba ihany anefa ny teny Andranomena ka nivoahan’ny anaran-dRazafindravahy Edgard ho kandidan’ny TGV. Araka ny efa nitaterana azy teto tamin’ny alarobia 03 aprily teo dia tsara toerana ho kandidan’ny antoko TGV ity PDS-n’Antananarivo Renivohitra ity taorian’ny nivoahan’ilay «ni…ni» sy nanambaran’i Andry Rajoelina fa hiandry amin’ny 2018 ny tenany vao hirotsaka ho kandida.
Olona itokisan’i Andry Rajoelina rahateo i Edgard Razafindravahy matoa notendreny hitantana ny tanànan’Antananarivo nanomboka ny 07 aogositra 2009, efa-taona izao, ka lojika ny maha kandida azy. Nandeha koa ny resaka talohan’iny kongresy iny fa tsy dia mankasitraka ny hanolorana kandida miaramila ireo mpikambana ao amin’ny TGV. Midika izany fa efa voailika sahady i Camille Vital na nolazaina fa “favori” aza ka nahatonga ny mpizaika sasany nampiaka-peo fa nisy nanodinkodina ny fifidianana. Raha nandray fitenenana voalohany i Edgard Razafindravahy dia nametraka fanamby avy hatrany fa hampitombo avo roa heny ny velarantany hovolena eto mba tsy hanafarana vokatra intsony fa ho mpanondrana indray i Madagasikara. Voaresaka manokana ny tanora amin’ny famoronana asa 2 hetsy ao anatin’ny fotoana fohy. Eo koa ny fitsinjovana ny marefo, anisan’ireny ny fijerena ny lafiny ara-pahasalamana, ny sehatry ny fanabeazana ary ny fandriampahalemana…
Jean D. faran’ny herinandro teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.