Kandidan’ny “Hery Vaovao”

> Tsy mihambahamba mampiasa fitaovam-panjakana


  • Alakamisy 17 Oktobra 2013

Hafa kely ny zava-mitranga any Tolagnaro raha araka ny angom-baovao natao satria dia misy afisina kandida, hafahafa sy tsy manara-penitra ihany, napetaka tamin’ny rindrina ilay afisin’ny kandidan’ny Hery Vaovao ary dia nohodidinina ny marim-pamantaran’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar.

Baiko sy teny midina ve sa fanahy niniana natao sa fanapahan-kevitra ny komity mpanohana na izay olona manao ny propagandin’ity kandida ity, any Tolagnaro no nahatonga izany ? Tsara homarihana tokoa mantsy fa ankoatra ny naha minisitry ny vola sy tetibola azy dia mbola filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar ihany koa ny kandida Hery Rajaonarimampianina. Tsy hidirana lalina intsony moa na mbola mitana io andraikitra io izy na tsia hatramin’izay naha kandida azy izay. Ny tsy mety dia ny fampiasan’ity kandida ity ny anaran’ny Air Madagascar na ny mpiasa ao aminy na ny fitaovany mba hanaovana ny propagandiny. Raha izay tokoa no mitranga dia mila hentitra amin’ny fandraisana fepetra ny CENI-T fa tsy hoe masiaka fiteny fotsiny Rtoa Atallah Béatrice, fa tsy misy ny tena fampiharana akory. Marihina fa efa mpanolotsainan’ity kandida ity tao amin’ny ministeran’ny vola izy mialoha ny naha filohan’ny CENI-T azy, amin’izay any an-tanindrazany no miseho izao tranga hafahafa mampiasa fitaovam-panjakana izao. Tsy azo adinoina fa orinasam-panjakana ny Air Madagascar, ary fitaovam-panjakana no avoaka hametahana afisina kandida. Tany Ambatondrazaka aza moa omaly, dia eo an-tokonam-baravaran’ny Lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro mihitsy no miantsona ireo fiara 4x4 voaravaka sarin’ny kandida Hery Rajaonarimampianina, izay tonga nanao fampielezan-kevitra tany.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT