Resy tao amin’ny birao nandatsahany vato tetsy amin’ny CEG Tsimbazaza ny kandidà Hery Rajaonarimampianina raha tsy nahazo afa-tsy vato 68 tamin’ny vato manankery raha nahazo 133 kosa ny kandidà Robinson Jean Louis izay nitarika hatrany teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Tsy niala mihitsy fa nanaraka ny fanisam-bato tao amin’ity birao ity hatramin’ny farany ary mbola nanara-maso ny famenoana ny taratasy firaketana an-tsoratra (PV) ny voka-pifidianana koa ireo mpanara-maso ny fifidianana avy amin’ny Fivondronambe Eoropeanina. Tsy nahovoka koa ity kandidan’ny Hery Vaovao ity teny Antsofinondry misy ny fianakaviany, 94 ny isam-bato azony raha hatrany amin’ny 226 ny vaton’ny Dr Robinson Jean Louis.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.