Politique

Kandidam-panjakana mandika lalàna Jamba tanteraka ny HCC sy ny CENI


  • Zoma 05 Aprily 2019

Miharihary tanteraka ny endrika fiandanian’ny fanjakana foibe sy ny filoha amin’ny kandida depiote hatolotry ny vovonana tohanan’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina dia ny IRD,

 

 

 izay nahazo rariny tamin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) fa tsy mandika lalàna, hoy io andrim-panjakana io. Miitatra ny endrika fihantsiana ady ara-politika hampitroatra ny hafa. Taratr’izany ilay zava-niseho tany Toamasina.  Fanombohana tetikasam-panjakana asa tanamaro no natao, saingy tsy nisalasala fa toa nijapy izany ho amin’ny tombontsoa politikany ny minisitry ny mponina teo aloha Irmah Naharimamy. Ny andininy faha-64 amin’ny lalàmpanorenana no milaza fa tsy azo afangaro amin’ny raharaham-pirotsahana hofidiana ny asan’ny mpikamban’ny governemanta, ka dia efa nambara fa niala tsy ho minisitra ity tompon’andraikitra teo aloha ity, izay didian’io andinin-dalàna io fa tsy maintsy mametra-pialana rahateo raha vantany vao voaray ofisialy ho kandida. Ekena fa efa niala, saingy mbola manao fitaovana ilay tetikasam-panjakana. Na ny resaka etika politika aza toa tsy voahaja satria raha tena mahatoky tena tsy nipoitra tamina hetsika karakarain’ny fanjakana, ka hivadihan’izany ho endrika propagandy mivantana na an-kolaka. Hitan’ny CENI sy HCC ve ireny? Ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra farany teo aza moa, dia mbola tafiditra tao ny anaran’ity Minisitra farany ity noho ny mety tandrametaka, ka novaina haingana izany avy eo. Endriky ny tsy fahamatoran’ny fanjakana, fa mety ho misy heviny hafa ihany koa. Ny zavatra tsapa dia toa miharihary ho miandany sy manohana ity kandida ity izany ny minisitry atitany ity, izay tsy nandrara fa namela malalaka ity minisitra teo aloha ity hijapy ny tetikasam-panjakana. Ny minisiteran’ny atitany anefa, dia isan’ny miantsoroka ny fifidianana ary efa tany amin’ny fifidianana filoha no niteraka resabe ny fihetsiky ny minisitra Tianarivelo Razafimahefa, ary toa miverina izany ankehitriny. Izany ve tsy efa naman’ny milaza an-kolaka fa hatao izay hampandaniana ny kandidam-panjakana. Fandranitana sy fihantsiana ady tsotr’izao !

 

Toky R     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT