Politique

Kandida Vahombey Tafintohina sady tezitra


  • Alakamisy 25 Jolay 2013

«Tafintohina tanteraka ary tezitra ny tenako», hoy Atoa Rabearison Roland na i Vahombey izay anisan’ireo kandidà ho filoham-pirenena raha nanontaniana ny fahitany ny zava-nitranga teny Analakely ny talata 23 jolay ka nisamborana ny kandidà Laza Razafiarison avy amin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena.

Na inona na inona zavatra azo resahina mikasika ny nataon’i Laza Razafiarison, matoa izy nanao ireny fihetsika ireny dia nasesiky ny fitiavan-tanindrazana ny tenany. Nivadika ho hatezerana mihitsy izany noho ny fahitany fa faran’izay fadiranovana ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy i Vahombey. Tsy mbola nitontongana toy izao i Madagasikara. Mahamenantra izany ka izay no ilana olona toy ireny maneho ny tsy fahafaliany. Tsara ny fisin’ny olona toa azy sahy mitsangana toy ireny. Tsy hidirantsika izay filazana fa misy miantoka azy hanao ireny hetsika ireny na izay maniraka azy. Ambin-javatra izany fa raha noho i Madagasikara izay lazaina fa gisitra eran-tany kanefa manan-karena dia ilaina ny toy ireny. Tsy tokony havela moramora ireny fihetsika natao azy ireny.

N’inona n’inona lazain’izay manampahefana nanome ireny baiko ireny, amiko dia tsy tokony ho toy ireny ny fomba nisamborana azy, indrindra fa kandidà ho filoham-pirenena izy. Hery famoretana ireny amiko. Kandidà ho filoham-pirenena ve dia atao toy ireny ? Midika izany fa toy ireny no hanaovan’ny mpitandro filaminana sy ny mpitantana azy amin’izao fotoana izao ny firenena. Mikasika ny tsy mbola hivahan’ny krizy dia tokony hametra-panotaniana ny vahoaka hoe : «Avy aiza ny vola mbola mampihodina ny firenena amin’izao fotoana ? Zavatra tsara hofantarina izany satria niaraha-nahalala fa ny mpandraharaha dia efa nanokana ny vola hetrany, izay isaorako azy ireo izany. Ny hetrantsika mantsy no hanaovan’ny mpitandro filaminana herim-pamoretana amintsika kanefa Remenabila aza tsy azony ! Mikasika ny GIC-M indray dia nilaza i Vahombey fa tsy manantena zavatra amin’ireny. Ny filohan’ny tetezamita moa ireny niaraha-nahita ireny fa nandeha tany Tanzania nitady vahaolana kanefa tsy manao tatitra ho an’ny vahoaka. Ny volam-bahoaka  anefa no ampiasainy. Adidiny ny mitatitra ny nampiasany izany volam-bahoaka izany na dia tsy nisy naniraka azy aza fa izy no nanira-tena tany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT