Politique

Kandida Vahombëy Niantso tody ireo nangalatra teto amin’ny firenena


  • Alarobia 08 Mey 2013

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao Antsirabe ny kandidŕ Vahombëy na Atoa Rabearison Roland Dieu Donne, ny alatsinainy 06 mey teo ho fampahafantarana fa ofisialy ny maha kandidŕ azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 24 jolay ho avy izao.

 Nambarany  fa tonga ny fotoana hisian’ny mazava amin’izay ho an’i Madagasikara. Nolazainy fa izy no nanambara voalohany ny filatsahan-kofidiana teto Madagasikara raha vao nitranga ny krizy teto amin’ny firenena ny taona 2009 ka ny datin’ny 06 jolay no nanambarany izany, saingy izao vao tena ofisialy ny maha kandidà azy. Efa , hoy i Vahombëy no niomanany hiatrika ity fifaninanana ity ary niandry ny fahataperan’ny fotoam-piasan’ny filoha Marc Ravalomanana izy saingy nisy ny fanonganam-panjakana ka dia nambara nialoha indray izany. Nohamafisiny fa efa betsaka ny fitetezam-paritra vitany ka matoky izy fa ho tonga eo amin’ny fitantanana ny firenena ary ny laharam-pahamehana ho azy raha vao vita ny fianianany dia ny fametrahana ny fitsarana manokana ho an’ny mpitondra rehetra manomboka any amin’ny faratampony ka hatrany amin’ny ambany indrindra.

Hiozona ho an’ny taranaka faramandimby ihany koa ny tenany tsy hanao ratsy ka madio ny tanany miditra eo ary madio mivoaka. Diovina ny fitantanana raharaham-panjakana eto Madagasikara manomboka eo. Fa niantso tody ho an’ireo mpitondra nifanesy teto Madagasikara ity kandidà ity ka nilazany fa izay nanao ny tsara dia hizaka ny tsara ary izay nanao ratsy aoka hizaka izany ihany koa. Tsotra ny azy ny vinam-piarahamonina : “Totovarim-bazimba ka izay tsy mitoto tsy mihinana, ary tono hena tsara zara mampateza soron’afo”. Raha nanontaniana ny heviny momba ny fehin-kevitry ny FFKM dia nolazainy fa tsara saingy efa tara satria efa zavatra notakiana tamin’ny taona 2010 saingy tsy nampiharina ka izao dia averina indray dia hiverina ihany koa ny ady varotra sy ady seza toy ny efa nitranga teo, ary naninona no tsy nampiharin’ny FFKM izany tamin’izany fotoana fa nandrasana ho aty amin’ny efa-taona efa mandady amin’ny tany ny vahoaka vao mody taitra ? Aminy dia tsy hahavaha olana intsony iny fa hiteraka olana vaovao indray fa ny firosoana amin’ny fifidianana ihany no tokony himasoana amin’izao fotoana.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT