Kandida Vahömbey

> «Vitako ny adidiko»


  • Alarobia 30 Oktobra 2013

Namoaka fanambarana ho an’ny mpanohana azy ny kandidŕ Rabearison Roland Dieu Donné na Vahömbey avy ao Vakinankaratra ny alahady 27 oktobra lasa teo, taorian’ny nivoahan’ny ampaham-bokatra avy ao amin’ny CENI-T.

 

“Tsy nahafeno 1% -n’ny mpifidy Malagasy no nifampizara ny nofinofiko ho an’ilay Madagasikara ibeazan’ny maha olona sy irijarijàn’ny maha Malagasy ary anjakan’ny Fokonolona”, hoy izy. Nambarany fa nahaizany zava-maro ny fiomanana ho filoham-pirenena nandritra izay dimy taona lasa izay. Nihafiana ny fanevatevana sy fanasoketana ary fanambanimbaniana, saingy nanery azy namelom-panahy no sady nampianatra azy hampibanabana ny fony ihany koa. “Tsofiko rano ny fireneko”, hoy i Vahömbey, ary “tsy hisy avelako hampalahelo ahy intsony izay hitranga eto an-tanindrazako manomboka izao fa efa vitako ny adidiko ary vitantsika rehetra tsy nahafeno akory ny 1%-n’ny mpandatsa-bato ny adidintsika. Sitraka sy telina, hoy izy namarana ny teniny nirary soa ireo nanohana azy ary nitso-drano fa Andriamanitra manambina lalandava ny isan-tokonambaravarantsika tsirairay avy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT