Politique

Kandida tsy mahafeno dosie Efa taratry ny tsy fahamatorana sahady


  • Zoma 15 Martsa 2019

Tapitra omaly tamin’ny 5 ora hariva ny famenoana ny antontan-taratasin’ireo kandida solombavambahoaka mety nisy tsy ampy na tsy feno dosie. Marihina fa nanomboka ny 26 febroary hatramin’ny 12 martsa teo ny fanaterana ny antontan-taratasy.

 

  Efa nanontany ny pitsopitsony teny amin’ny OVEC anefa ireo kandida na ny solontenany, raha ny tokony ho izy. Mahagaga ny mbola tsy fahafenoan’ny pitsopitsony kanefa nanana tapa-bolana nanomanana azy. Mety ho endriky ny tsy fahampian’ny fahamatorana. Misy aza ny sasany dia tena ny lisitra mihitsy no tsy ampy olona. Izany ve no ho lasa mpanao lalàna avy eo kanefa ny fitsipika sy ny fepetra ary tsy voahaja tao anatin’ny fe-potoana voafetra. Mety ho tsotsorina ny tahaka izany satria efa fombatsika Malagasy ny manaboribory resaka, saingy ny tahaka ireny no tsy mampandroso. Mifampitaiza amin’ny tsy mety amin’ny fanatsotsoran-javatra.  Olona  tsy manana fitoniana sy tsy matotra ve hahavita hanara-maso asana governemanta ? Ny mety ho tsy fahalalana ny pitsopitsony rehetra momba ny tena andraikitry ny solombavambahoaka manginy fotsiny. Izany tokoa angamba ilay fomba fialana bala hoe: ny manao zavatra tsy mora. Lojika be avy eo raha manangan-tànana sy mitady malety na fiara tsy mataho-dàlana no atao ao Tsimbazaza, ankoatra ny bizina samihafa mety handeha.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT