Politique

Kandidà Tonton Josè “Soalandy Mifankatia sy Miara-miasa no Mandroso”


  • Talata 12 Novambra 2019

Tsy mba misora-tena toa voatango na midera tena toa papelika ny kandida Herinaivo Ravaojanahary, raha eo amin’ny lafiny asa fampandrosoana ny tanàna no resahina.

 

Nandritra ny fotoam-pitantanany teto amin’ny kaominina Ankadivoribe Soalandy, maro ny zava-bita teo amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ireny ny fanamboarana ho rarivato (pavé) ny lalana mamakivaky sy mampitohy ny tanàna amin’ireo toerana hafa. Teo koa ny famakiana ny lalam-baovao mampifandray an’Ankadivoribe sy Beravina. Mba ho fitsinjovana hatrany ny sosialim-bahoaka dia teo koa ny fampidirana rano fisotro madio sy ny fanamboarana fantsakana 1 isam-pokontany.  Goavana tamin’ireo asa notanterahina ny fametrahana ny “Centre de pompage” izay hahasahana ny ranon’ny mponina eto amin’ny kaominina manontolo ary efa an-dalam-pahavitana tanteraka io fotodrafitrasa io ankehitriny. Teo amin’ny lafiny angovo dia nisy koa ny fampidirana jiro sy famatsiana herinaratra nanazava ny tanàna (Eclairage public).  Teo koa ny fampitaovana rano sy jiro ho an’ny EPP sy ny CSB II. Mba  ho fampirisihana ny mpitandro ny filaminana amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna dia  nisy koa ny fanamboarana ny biraon’ny zandary sy ny famitana tanteraka ny famefena tamboho nandritra ny fotoana nitantanany ny kaominina. Tsy nataony ambony maso tsy hita toa tampon-kandrina na akaiky ihodinana sahala amin’ny ravin-tsofina koa anefa ireo mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana eo an-tanàna. Notolorana fanohanana tamin’ny alalan’ny fanomezana masomboly ireo tantsaha ary nampiana hatrany koa tamin’ny lafiny fandrindrana ny rano isaka ny taom-pambolena. Izany indrindra no mahatonga ny antoko Tia Tanindrazana sy ny Fikambanana S3M mijoro, mba ho kiady aron’ny voly sy ho vavahady antoky ny tanàna ka hahazoana miantoka hatrany ny ho fitohizan’ny asa fampandrosoana efa natomboky ny kandida laharana fahefatra.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT