Politique

Kandida TIM K 25 any Mananjary Gégé Bosco no lohalisitra


  • Zoma 15 Martsa 2019

Voapetraka tamin’ny alatsinainy faha-11 martsa 2019 teo tao amin’ny Ovec any amin’ny distrikan’i Mananjary ny antontan-taratasy filatsahan-ko fiadiana ho solombavambahoaka amin’ny 27 mey 2019 ho avy izao ho an’ny kandida Tim K 25 any amin’ity distrika ity ka fantatra fa ny mpikambana TIM Andriamanampisoa Gégé Bernard “Gégé Bosco” no lohalisitra ao anatin’izany.

 

 Mpikambana K 25 kosa no mitana ny lisitra faha-2 ary ny faha-3 sy faha-4 dia olona tsara sitrapo manohana marindrano ny Tim K 25 amin’izao fotsiny. Efa nahazo tso-drano ara-dalàna tamin’ny filohan’ny antoko Marc Ravalomanana izy ireo ary nametraka fanamby fa hikaroka ny fampandrosoana an’ity distrika ity amin’ny fitondrana ny tenin’ny vahoakan’i Mananajary sy ny laharam-pahamehana ho azy ireo  ho hajariana lalàna eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Tsy manavao amin’ny mponin’ny distrikan’i Mananjary raha ity lohalisitry ny TIM K 25 voalaza ity satria efa zatra nihosona sy nanampy betsaka azy ireo amin’ny maha-filoha am-perina ny fikambanana  Vary sy Rano any Mananjary azy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT