Vonona tanteraka ny hanao izay ho afany ho fampandaniana ny kandidà solombavambahoaka TIM K 25 ao amin’ny distrikan’i Mananajary tarihan’ny lohalisitra Andriamanampisoa Gégé Bernard raha ny nambarany tetsy Mahamasina
tamin’ny alarobia 20 martsa lasa teo ny komit mpanohana azy ireo tarihan’Atoa Didier fantatra amin’ny hoe Ralay. Efa niarahanay sy ireo kandida ireto, hoy Atoa Didier izay sady sekretera jeneralin’ny fikambanana Maramy rahateo ny nitakiana an’i Vatovavy ho Faritra faha-23 eto Madagasikara ka efa tanteraka izany ankehitriny. Inoanay, hoy izy, fa tsy hikely soroka hitondra hatrany ny hetaheta sy fitakiam-bahoaka eny amin’ny Antenimiera izy ireo rehefa mby ho tafiditra eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Kandida mamim-bahoaka sady manakaiky vahoaka ny kandida solombavambahoaka TIM K 25 Mananjary, hoy hatrany i Didier Ralay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.