Politique

Kandidà solombavambahoaka Maro ireo mbola nangataka fanazavana teny amin’ny OVEC


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Tsy mbola mazoto angamba na manana paikady manokana ireo mpirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka kanefa dia nisokatra omaly ny fotoana ahafahana mandray anjara amin`ny fifidianana ny 27 mey 2019 ho avy izao.

 

 

 

 Hatreto, i Alain Mahavimbina, filohan`ny antoko GAR, no fantatra fa nandrotsaka ireo antontan-taratasy sy anto-bola tany amin`ny OVEC Toamasina I. Saika olona tonga mangataka fanazavana sy ireo antontan-taratasy hofenoina no betsaka ary manerana ireo OVEC manerana ny nosy no nahitana izany. Ho an`ny OVEC Tana III dia niisa 6 ireo olona nangataka fanampim-panazavana. Teny Atsimondrano kosa, miisa 8. Tany amin`ny faritra ihany koa, somary nangina ny teny amin`ny OVEC. Ho an`i Mahajanga I, niisa 14 ireo nangataka antontan-taratasy. Ankoatra ireo taratasy takian’ny lalàna aminy dia 5 tapitrisa Ariary ny vola antoka tsy maintsy harotsak’ireo maniry ny handray anjara amin’io fifidianana io any amin’ny Tahirim-bolam-panjakana mba hahafahany milatsaka hofidiana. Mbola manana hatramin`ny 12 martsa aloha ireo kandidà raha tapa-kevitra. Araka ny tetiandro napetraka dia ny 6 ka hatramin’ny 25 mey no ahafahan’ny mpifaninana sy ny mpanaradia azy manao fampielezan-kevitra. Ny 17 jona kosa no ho fantatra amin’ny fomba ofisialy ny lisitr’ireo voafidim-bahoaka ka handrafitra ny Antenimieram-pirenena vaovao.  

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT