Raikitra izy ity. Nivoaka omaly ny lisitr` ireo afaka hifaninana amin`ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza. Miisa 803 ireo kandida ho solombavambahoaka nekena ao anatin’ireo fari-pifidianana manerana ny nosy.
59 filatsahan-kofidiana kosa no nolavina araka ny fanambarana nataon’ny CENI omaly. Lehilahy ny 85% n’ny kandida (736), raha vehivavy ny 15% (126).Niisa 862 ny isan’ireo taratasy filatsahan-kofidiana voaray ka 345 avy amina antoko politika ary 517 mirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana. Niisa 21 kosa ny fitarainana voarain’ny CENI. Anisan` ny manaotoa foana sy tsy nahavitany tokony ho nataony momba ny dosie ireo avy amin` ny tsy miankina na ny mahaleo tena. Maro amin` izy ireo no tsy nahafeno ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana. Ao koa ireo tsy nahaloa akory ny anto-bola 5 tapitrisa Ariary. Nanazava anefa ny nambaran` ny CENI fa 48 ora taorian` ny nikatonan` ny fanaterana ny antontan-taratasy ihany no nahafahana mameno ireo antontan-taratasy tsy ampy, ilaina amin` ny firotsahana izany hoe ny alakamisy lasa teo. Anton’ny tsy nanekena ny filatsahan-kofidiana: olona efa nosazian’ny lalàna, tsy nahaloa ny fandraisana anjara saram-panontàna ny bileta tokana, tsy nahafeno ny antontan-taratasy notakiana, tsy nanaja ny fe-potoana ahazoana manatitra ny antontan-taratasy. Ny 22 martsa no hotanterahina eny anivon’ireo rantsamangaikan’ny CENI eny amin’ny distrika (CED) ny fisarihana ny laharan’ireo kandida ao anaty bileta tokana ary ho ampiasainy mandritra ny fampielezan-kevitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.