Politique

Kandida Saory Christian Soloy ireo mpikarakara fifidianana, ampitomboy ny mpanaramaso


  • Talata 10 Jona 2014

Distrika iray amin’ireo efatra hamerenana ny fifidianana solombavambahoaka ny any Belo Tsiribihina, Faritra Menabe.

 Noho ny hosoka nitranga nandritra ny fifidianana natao tamin’ny 20 desambra 2013 no voalaza fa antony tsy maintsy hamerenana izany. Anisan’ny handray anjara amin’io ny antoko AREMA amin’ny alalan’i Saory Christian, kandida solombavambahoaka ao Belo Tsiribihina. Mba hampirindra araka ny tokony ho izy ny fifidianana ary dia hangatahin’ity kandida ity ny hanoloana ireo mpikarakara ny fifidianana tany amin’ireo toerana rehetra nahitana hosoka, ary anaovany antso avo amin’ny CENI-T mihitsy. Mangataka ny hampitomboana ny isan’ireo mpanaramaso ny fifidianana any Belo Tsiribihina ihany koa ity kandida satria tsy milamina ny tany. Ho an’ity Distrika ity manokana, ohatra, dia amin’ny 06 ora hariva dia efa manidy trano avokoa ny mponina any ambanivohitra noho ny firongatry ny asan-dahalo. Manginy fotsiny ny vono olona. Ny 08 aogositra ho avy izao moa no hisokatra ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka amin’ireo Distrika efatra izay voatery haverina dia Ambanja, Belo Tsiribihina, Marovoay ary Sainte-Marie ary hifarana ny 28 aogositra. Hotanterahina ny tontolo andron’ny 29 aogositra kosa ny latsa-bato.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT