Tontosa omaly folakandro teny Antsahamanitra ny fitrotroana am-bavaka ny kandida Ratrema William, kandida iray amin'ireo 33 hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena.
Vavaka iraisam-pinoana no natao tamin'izany hahafahany miatrika amim-pilaminana sy amim-pahatoniana ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana hotanterahina ny 25 oktobra ho avy io. Tsy misy olona mahavita tena fa tsy maintsy miankina amin'Andriamanitra raha te ho tafita, indrindra fa raha hitondra firenena. Io no tena nivoitra nandritra ny toritenin'ny mpitandrina Rajoeliharivonjy Josoa, nandritra ny aim-panahy natolony. Nambarany fa feno fandrika ny fiainana an-tany ka tsara raha miankina amin'Andriamanitra hatrany isika zanak'olombelona. Noho ireo antony ireo indrindra no nanosika ity kandida ity hanokatra ny fiatrehany ny fifidianana amin'ny alalan'ny vavaka, izy rahateo mpino Kristianina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.