Kandida Ratrema William

> Nitety Fokontany tao Toamasina


  • Alatsinainy 30 Septambra 2013


Nisafidy an’i Toamasina ny kandida Ratrema William ny sabotsy 28 septambra teo nanohizany ny fampielezan-keviny niaraka tamin’ireo mpiara-dia taminy. Fokontany efatra no notsidihany manokana tamin’izany izay nanomboka tao Tanamborizano, Morarano Ambalakisoa, Mangarivotra ary Tanambao V. Nandritra izany no nanazavany ny antom-pirotsahany sy ny fandaharan’asany izay miompana kokoa amin’ny fanabeazana ny zanaka Malagasy ary namaliany ny fanontaniana sy fangatahan’ireo vahoaka sahirana isam-pokontany, ka nanomezany simenitra ny Fokontany iray tao Tanambao V hanarenana ny Tranompokonolona simban’ny rivodoza sy efa antitra, nefa tena miasa be amin’ny asam-pokonolona ao an-toerana.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT