Kandida Ratrema William

> Hametraka ny tantsaha amin’ny toerany


  • Alarobia 23 Oktobra 2013

Vonona hametraka ny tantsaka amin’ny toerany ny kandida Ratrema William. Tantsaha izay marihina fa tena maro an’isa indrindra eto amintsika nefa tsy voatsinjo hatramin’izay.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asany  io ankoatra ny fitsinjovana ny lafiny fanabeazana, ny fanomezana asa ny tanora,  ny fametrahana amin’ny toerany ny hasin’ny mpampianatra izay hiatombohan’ny hasin’ny maha olona.  Laharam-pahamehana ao anatin’izany ny fanombohana miandalana any amin’ny ambaratonga fototra ny fampianarana momba ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena, averina amin’ny laoniny ny fampianarana teknika manofana ho injeniera matihanina eo amin’ny  fampiroboroboana ny tontolo eny ambanivohitra mba hananan’ny tantsaha vokatra mifanaraka amin’ny filan’ny tsena anatiny sy ivelany.  Eo amin’ny fikarohana lalam-barotra kosa dia nambaran’ny kandida Ratrema William fa matetika  ny mpanelanelana indray no lasa manan-karena mialoha ny tantsaha mpamokatra noho ny fanararaotana sy ny fanambakana  misy ka tsy maintsy hojerena akaiky. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT