Kandidŕ Ratrema William

> Avelao hitsara araka ny feon’ny fieritreretany ny CES


  • Sabotsy 17 Aogositra 2013


Raha samy nanana ny fitarainany napetraka teny anivon’ny CES vaovao ireo kandidà hafa, dia mifanohitra amin’izany ny kandidà Ratrema William, satria dia nilaza izy fa “matoky ny fahendren’ireo mpikambana ao amin’ny CES vaovao izy ary manampahaizana sy olona mila fitoniana avokoa ireo”. Nolazainy fa tsy mba manana fitarainana hatao toy ireo kandidà hafa izy. Manana fahefàna mitsara ireo ka avelao hitsara araka ny feon’ny fieritreretany sy fiheverany ny fanajana ny lalàna ka rehefa voahaja izany dia hilamina ny firenena. Nandritra ny fitondrana am-bavaka ireo mpianatra hanala bakalôrea miisa 5000 ao amin’ny Cours Aceem, IEF Aceem ary IES Aceem teny amin’ny EKAR Faravohitra no nanaovany fanambarana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT