Manohy ny diany hatrany ny kandida Rajemison Rakotomaharo laharana faha-23 rehefa avy nitety faritra maro teto amin’ny Nosy. Ny faran’ny herinandro teo ary dia tany amin’ny faritra DIANA, SAVA, Atsinanana izy ary hamarana izany any amin’ny faritra atsimo.
Nifandray mivantana hatrany tamin’ireo vahoaka ity kandida atolotry ny MAMAFISOA ity, tamin’ireo toerana rehetra notsidihiny. Raha nihaona tamin’ny vahoaka tao Antsiranana I sy II izy dia nihaino ireo olana rehetra misakana ny fampandrosoana amin’ity faritra ity ka anisan’izany ny tokony hijerena manokana ny tontolon’ny orinasa Secren, ny hanampiana ireo orinasa tsy miankina hananganana ozinina afaka manodina ny akora misy ao an-toerana ka hahazoan’ny faritra tombony. Manan-karena i Madagasikara ary ny faritra tsirairay no tokony hahafantatra sy hahazo tombony amin’ny harena misy ao aminy, hoy izy. Nihaona tamin’ireo Fikambanam-behivavy sy tanora ihany koa ny kandida Rajemison Rakotomaharo ary nanambara fa azo tanterahina ny fanampiana azy ireo amin’ny fananganana Ivon-toerana ara-tsosialy, sy ny fananganana “Médiathèque” izay hetahetan’ny tanora. Nohamafisiny koa fa mba hitsinjovana ny tanora sy ny taranaka ho avy dia hatao toeram-pampianarana ambony ny lapam-panjakana eny Iavoloha raha ho lany Filoham-pirenena izy, satria ny Lapam-panjakana eny Ambohitsorohitra hoy izy, dia ampy hanatanterahana ny andraikitry ny Filoham-pirenena.
Tamin’ny fandalovany tao Brickaville dia nilaza izy fa tokony hatao faran’izay haingana ny fanarenana ny Sirama, ka hatevenina sy hatsaraina ny fambolena fary izay fototra hampandroso ny faritra sy hiadiana amin’ny tsy fananan’asa. Nitaraina ihany koa ny mponina ao an-toerana amin’ny tsy fisian’ny rano fisotro madio sy ny tsy fisian’ny Hopitaly fandidiana fa tsy maintsy mankany Toamasina. Nambaran’ny kandida Rajemison Rakotomaharo ary fa tokony ho laharam-pahamehana ny fijerena ny fahasalamana sy ny fampidirana rano fisotro, noho izany dia ilaina ny mifanome tanana hanatanterahana izany, satria raha te handroso isika dia tokony hanana vahoaka salama. Hanao faradoboka ao Antsahamanitra ity kandida ho Filoham-pirenena ity anio alarobia 23 oktobra. Tsipihina moa fa dia naneho fankasitrahana sy nisaotra ireo vahoaka hatrany tamin’ny fandraisana azy ny kandida Rajemison laharana faha-23.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.