Manohy ny fampielezankeviny toy ny kandida ho ben’ny tanàna namana hafa rehetra ny laharana faha-7 ao anaty bileta tokana
avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara ety Alasora, hoy ny kandida Jimmy Randriantsoa. Miangavy ny kandida namana mba hifanaja hatrany sy tsy hifampihantsy ny tenany ary nilaza fa ny kandida TIM dia manaja hatrany ny fiandrianana sy fanaovan’ny tsirairay ny propagandiny. Miezaka ihany koa tsy manaratsy sy mifehy ny mpiaradia aminy ka miangavy ireo kandida hafa hanao toy izany koa, hoy izy. Ny sabotsy izao moa no hanatontosa ny faradobony eo amin’ny tany malalaka eo ampitan’ny Total, ampitan’ny By Pass, ity kandida ity sy ireo kandida ho mpanolotsaina miaraka aminy. Hisy artista maro ho avy ary hiezaka koa ny tenako, hoy izy, hanazava bebe kokoa mikasika ny fandaharan’asako. Anisan’ny niteraka resabe moa, raha tsiahivina, ny fanembantsembanan’ny ekipan’ny kandida mpifaninana iray nihatra tamin’ny ekipan’ity kandida laharana faha-7 ao Alasora ity, andro vitsy lasa izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.