Amin`ny 24 septambra izao no hivoaka ny tatitra ofisialy havoakan` ny CENI momba ireo kandidà hirotsaka hofidiana ben`ny tanàna ary
tsikaritra fa saika hialokalofan`ireo mpamadika palitao ny vovonana IRD. Ho an`ny kaominina Ivato, Rasoamiaramanana Goddefrin no kandidàn’ ity vondrona antoko ity. Marihana fa efa nitondra ny kaominin`Ivato in-droa miantoana talohan`ny nitantanan`ny ben`ny tanàna Randrianarisoa Penjy izy tamin`ny lokon`ny antoko Tiako I Madagasikara. Nifaninana taminy ihany koa tamin`ny fifidianana ben`ny tanàna farany teo tamin`ny antoko HVM indray saingy resy, Niverina nirotsaka indray natolotry ny IRD. Antony iray goavana mampikatso ny fampandrosoana dia io toe-tsain`ny mpanao politika io ary ilàna fanovana goavana. Tsy mpamadika palitao sy mpanao sakaizan’ny mpandresy izany hoe tsy manana foto-kevitra mazava ijoroana fa olona tena tia tanindrazana ary miasa ho an`ny soa iombonana no ilain`ny vahoaka, indrindra ny eny ifotony.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.