Fifanandrifian-javatra tanteraka amin’izao fotoanan’ny fampilezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena izao, fa araka ny angom-baovao teo anivon’ny fitsarana Toamasina, dia hiakatra “Chambre d’accusation” amin’ny alatsinainy 30 septambra izao ny raharaha nahafaty ny minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy teo aloha, Nadine Ramaroson, tao Soanierana Ivongo ny 28 aogositra 2011, taorian’ny niatrehany ny “Festival des baleines” na “Zagnahary be” tao amin’ny nosy Sainte Marie. Nisy ny fitoriana nataon’ny fianakaviana Ramaroson momba io raharaha io, izay mahakasika kandida ho filoham-pirenena iray. Ny angom-vaovao ihany no nahalalana fa nametraka porofo ao anatin’ny antontan-taratasin’ady ny mpitory, ka izay no handinihana ny raharaha mba hamaritana ny heloka hanenjena ny voampanga sy ny fomba hitondrana ny raharaha. Mahakasika famonoana olona ilay fitoriana, ka dia voasokajy ho heloka be vava ilay raharaha. Raha izao fandehany izao dia betsaka ny ranomainty ho lany sy ranon’ivy hiraraka amin’ity raharaha ity ato ho ato, satria tsy maintsy hiaro tena ilay kandida, hilaza ny heviny ny mpanohana azy sy ny ekipany, ary hanana ny holazainy koa ny fianakavian’ny maty mpitory. Hafanafana izany ny raharaha amin’io herinandro vaovao io.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.