Hatreto aloha, efa mihoatra ny 15 ireo heno fa hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena amin’ity taona ity.
Sesilany tato ho ato ny fangatahan’ny avy eo anivon’ny antoko Hery vaovao ho an’i Madagasikara ny filatsahan’ny filoha mpanorina ny antoko, Hery Rajaonarimampianina. Na tsy mbola nahenoana valin-teny mikasika izany aza ity filoham-pirenena ity dia efa nilaza ny HVM fa hanana kandida. Anisan’ny kandida goavana efa nilaza ny filatsahany kosa ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana. Ho heno ato ho ato ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina. Efa mazava fa hilatsaka ny filoha mpanorina ny antoko GFFM, André Christian Dieudonné na ny pasitera Mailhol. Nanamafy koa ny sabotsy teo ny avy eo anivon’ny vovonana iraisan’antoko politika maro Armada fa hanana kandida tokana. Azo tombanana ihany koa anefa hoe raha tsy mifanaraka amin’ny ora farany ny avy eo anivon’ity vovonana mpanohitra ny fitondrana ity dia hiteraka kandida maromaro koa. Vovonana malaza efa niteny fa handray anjara ihany koa moa ny DFP (Dinika ho amin’ny Fanavotam-Pirenena) teo aloha izay efa niova Dingana ho amin’ny Fampandrosoam-Pirenena. Ireo antoko heverina ho matanjaka sy natsangan’ireo mpitondra teo aloha toy ny Arema sy Leader fanilo ary UNDD moa dia efa samy nanambara fa vonona handray anjara. Toy izany koa ny antoko Monima tarihin’ny praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo. Praiminisitra teo aloha efa heno ho mivonona hifaninana koa ny praiminisitra faharoa tao anatin’izao fitondrana izao, Jean Ravelonarivo sy ny praiminisitry ny tetezamita farany teo, Jean Omer Beriziky. Andriambavilanitra miisa 2 mitantana fikambanana sosialy ihany koa ankehitriny no efa heno ho mihetsiketsika sy miomana. Ireo mpandraharaha malaza ho be vola indrindra, toa an-dry Orlando Raobimanana sy Ny Rado Rafalimanana moa dia efa hita ho nanomboka naha be resaka ny mpanara-baovao ihany na tsy nilaza tamin’ny fomba ofisialy aza. Efa heno ihany koa ilay mpandraharaha, Bruno Ravelonanosy. Niteraka fihetseham-po maro, toy ny hafaliana, fahasorenana, nefa mety nahatsikaiky ny maro ihany koa anefa ny fahenoana ireo nalaza ho mpaminany nanana raharaha manahirana teo anivon’ny fitsarana tato ho ato toy ny Apostoly Tsaratsara sy Marc Tatandraza ary ilay mpiketrika ctic ctac dou, Cohen Rivolala.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.