Politique

Kandida ho depiote manerana ny nosy Marisarisa ny fametrahana dosie


  • Zoma 08 Martsa 2019

Hatramin’ny alarobia 6 martsa teo dia 18 monja ireo kandida ho depiote efa nametraka ny dosie ho filatsahan-kofidiany. Miampy ny an’ilay iray tao amin’ny boriborintany faharoa omaly izany dia 19 hatreto.

 

 

Izany hoe mbola marisarisa aloha hatreto ny fametrahana dosie. Olona tsy hampoizina hiditra amin’izany ihany koa no re ankehitriny fa anisan’ireo mba handray anjara ho fidianana hisolo ny vavan’ny vahoaka amin’ny volana mey io. Ao ny olona nalaza tamin’ny fitarihana hetsiky ny mpianatra teny amin’ny oniversite, mpikambana ao amin’ny sendikan’ny mpampianatra, filohan’ny gadra politika sy ny hafa. Ireo efa teo mieritreritra ny mbola hilatsaka kosa dia saika manontany an-kolaka ny hevitry ny maro any anaty tambajotran-tserasera ny ankamaroany. Taratra ao anatin’izay ny endrika fahamailoana isan-karazany sy ny fanamaivanana ny atao hoe politika eto Madagasikara. Mampahatsiahy tenina mpanao politika iray izay hoe misy manao azy ity ho foto-pivelomana mihitsy fa tsy fanasoavam-pirenena. Asa aloha rehefa manakaiky ny datin’ny 12 martsa raha hanao ahoana. Sa ve any indray hifandrombaka hampiditra antontan-taratasy ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT