Kandida ho depiote

> Tafakatra 12 ny mpifaninana ao Antsirabe I


  • Talata 27 Aogositra 2013

Tafakatra 12 ankehitriny amin’izao ny mpifaninana hiady ny toeran’ny solombavambahoaka ho an’ny Distrikan’Antsirabe I.

Vao nametraka ny antontan-taratasiny tao amin’ny CED ny alatsinainy 26 aogositra, Atoa Ravelomanatsoa Elysé kandidàn’ny Arema miaraka amin’i Vaovao Benjamin. Nambaran’ity farany fa manana fahazoan-dalana sy fankatoavana ny tenany ary vonona ny hifaninana amin’io toerana io, izy izay mpitarika ny Union Arema tao Antsirabe hatramin’ny taona 1991 ka hatramin’izao. Momba ny raharaham-pirenena dia tsy nanafina ny alahelony ity mpikatroka Arema ity ka nilaza fa tsy misy izany fiandrianam-pirenena izany intsony izao satria efa ny vondrona iraisam-pirenena no mibaiko ny mpitondra Malagasy sy mandahatra izay tiany eto, ka tokony hanaitra ny hambom-pon’ny Malagasy izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT