Omaly vao nanambara ny maha kandida ho depiote ao amin’ny boriborintany voalohany azy ny kandida tsy miankina laharana fahatelo, Hery Manankasina sy ny ekipany.
Nampatsiahiviny fa mizara 3 ihany koa raha aravona ny asan’ny solombavambahoaka dia ny manao lalàna, ny manara-maso ny andrim-panjakana mpanatanteraka ary ny mijery ny sosialin’ny mponina mba ahafahana mampifandrindra izany amin’ny volavolan-dalàna izay tokony hatolotra eny anivon’ny antenimieram-pirenena. Mila tanora vonona ny hanova ny tantaran’i Madagasikara, tanora manana fitiavan-tanindrazana, tanora vonona hanompo vahoaka ity firenena ity, hoy hatrany i Hery Manankasina. Izany no naha tapa-kevitra ny tenako sy ny mpiray lisitra amiko hilatsaka depiote ary mianiana sahady eo anatrehan’ny lanitra sy ny tany fa hanao ny mahitsy sy ny marina ho tombontsoan’ny maro.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.