Mponina 20 tapitrisa, misy mpifidy 8 tapitrisa, manana kandida 49 be izao ! Montsana ny zava-bita eran-tany amin’ny hamaroan’ny kandida filoham-pirenena.
“Record” e ! Tsy mbola nisy tahaka ity fifidianana indray mitoraka ity teo amin’ny tantaran’ny firenena, eny maneran-tany mihitsy aza. Nifanesika ireo mpifaninana nandritra ny faran’ny herinandro satria nisy 11 ireo tonga teny Ambohidahy ny sabotsy niampy 18 indray ireo kandida omaly alahady. Araka ny filaharan’ny fahatongavana tao amin’ny CES dia teo i Andrianainarivelo Hajo (Vondrona Politika Miaradia), Lahiniriko Jean (Komity Manohana an’i Lahiniriako), Ratsiraka Iarovana Roland (MTS), Rajaonarivelo Pierrot (MDM), Jean Louis Robinson (AVANA), Rabearison Roland (FAM), Saraha Georget Rabeharisoa (Antoko maitso Hasini Madagasikara), Rakoto Jean Pierre (Mahaleotena), Rabetsaroana Sylvain (PNJ Mazava), Rabemanantsoa Brigitte (Ampela Manao politika), Razafimanazato Julien (Eto Sehatry ny Daholobe), Razafiarison Laza (Avotra ho an’ny firenena), Camille Vital (Hiaraka isika), Monja Roindefo (MONIMA), Randriamampionona Joseph (Mahaleotena), Rafalimanana Ny Rado (Mahaleotena), Rakotoarijaona Ny Avokoa (MAF), Ravalomanana teraka Rakotonirainy Lalao Harivelo (Mouvance Ravalomanana), Roger Kolo (Mahaleotena), Rajemison Rakotomaharo (Mamafisoa), Jules Etienne (Madagasikara Fivoarana), Voninahitsy Jean Eugène (Les AS), Ravalisaona Clément (AME), Ramamonjy Harivola Sabine (Mahaleotena), Tehindrazanarivelo Alain (ENINA), Rajaonary Patrick (Mahaleotena), Lezava Fleury (HARENA), Ratsiraka Didier Ignace (AREMA), Rakotomalala Fleury (MIAMI), Dofo Mickael Bréchard (MIM), Randriamanantsoa Tabera (Kintana), Noelson William (Mahaleotena), Rakotomahanina Francklin James (Mahaleotena), Guy Ratrimoarivony (Mahaleotena), Malala Savaron (Mahaleotena), Razafy Richard Rakotofiringa (Mahaleotena), Faharo Ratsimbalson (Mahaleotena), Narison Stéphan (Mahaleotena), Rasolovoahangy Roseline Emma (Mahaleotena), Rakoto Andrianirina Fetison (RDS), Ratrema William (PATRAM-GAM), Rasolosoa Dolin (Mahaleotena), Mbohoazy Zefania (Mahaleotena), Raharimanana Patrick (Vitatsika io), Rakotoaritsika Hasimbola (Malagasy Miray sy Mifankatia), Tinasoa Freddy (OBAMA), Radavidson Andriamparany (FFF), Antony Ndakana (Mahaleotena) ary i Edgard Razafindravahy (TGV). Farafahakeliny izany dia miisa 49 ny miliardera eto Madagasikara. Maninona anefa no tsy tafavoaka i Madagasikafa ary miha mahantra fadiranovana hatrany ny Malagasy ?
Fomba fiady politika
Nilatsaka hofidiana faninefany indray ny amiraly Didier Ratsiraka. Tsy tonga teny amin’ny CES moa ny tenany fa ny solontenany no nanatitra ny dosieny. Tsy mahafeno ny fepetra ny tenany satria vao andro vitsy no niverenany teto Madagasikara. Fanakanana ny firotsahan-dRavalomanana Lalao fa tsy tena finiavana hifaninana loatra no tetika ao ambadika, araka ny fandinihan’ny maro azy, satria raha mankato ny maha kandida ny vadin’ny filoha teo aloha Ravalomanana ny CES dia tsy maintsy manaiky ny maha kandida an-dRatsiraka koa mba tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila. Samy latsaky ny enim-bolana no nonenan’izy ireo teto Madagasikara saingy tsy azo ampitoviana anefa ny momba azy ireo satria nosakanana tsy nody teto Ravalomanana Lalao fa tsy nahimpony akory, tsy izay kosa ny an’i Deba. Misy mihevitra koa anefa fa mba hanemorana ny fifidiana mba hirosoana aloha amin’ny fampihavanana tena izy no mampikiribiby aon-dRatsiraka. Fa nisintona ny firotsahany ny maitre Rakotoarijaona Avoko noho ny fahitany fa ady mihitsy no tian’ny sasany eto ka aleony nanaja tena. Ny mpiara-miasa akaiky aminy, ny Maitre Rakotoarisoa Victor no saika naka ny antontan-taratasy teny amin’ny CES omaly maraina saingy nilaza ny mpiraki-draharaha ao amin’ny CES fa tsy maintsy miandry fitsarana vao azo tanterahana izany.
Nenjehin’ny Bianco ho nanao fanodinkodinam-bolam-panjakana amina miliara ny CST Tehindrazanarivelo Alain. Madio ary afaka milatsaka soa aman-tsara anefa ny tenany raha ny antontan-taratasy teny am-pelatanan’ny mpisolovavany izay nahitana ny didim-pitsarana manafaka azy amin’io raharaha io. Fa fitafy tsotra dia tsotra tahaka ireny fitondra ao an-tokantrano ireny no nisaloran’i Antony Ndakana na Joella teny amin’ny CES omaly hariva. Milaza ho nisehon’i Jesosy ity kandida vao 43 taona ity ary nomeny iraka. Baikon’ny Tompo no ambarany fa mahatonga azy hilatsaka. Tsy hanao fampielezan-kevitra ny tenany fa i Jesosy no manomana izany, hoy izy. Tamin’ny endrika tena Malagasy kosa no nentin’ireo mpanohana maro ny kandidan’ny “Vitatsika io”, Patrick Raharimanana, nanotrona ity farany nametraka ny firotsahan-kofidiany teny Ambohidahy.
Nampiany fa ny vodihena tsy miainga aloha, nanazavany fa ny famoronana asa sy ny fampandrosoana isam-paritra no laharam-pahamehany, izy rahateo teknisianina amin’ny tontolo ambanivolo. Dr Emma Roseline, vehivavy kandida faha 5 ny tenany izay manampahaizana momba ny solitany. Tompona orinasa mpitrandraka solitany any atsimo rahateo izy. Aminy dia io sehatry ny harena ankibon’ny tany io no ahazoana vola haingana entina mampandroso an’i Madagasikara. Fa teknisianina azo lazaina ho manana traikefa ara-pitantanana Radavidson Andriamparany ny FFF. Maniry ny hizoran’ny fifidianana ao anaty mangarahara ny tenany. Fiafaran’ny adilahy politika sy ny fampandrosoana mitovy sy miara-dalana amin’ireo Faritra 22 rahateo no tarigetrany. Ny kandidan’ny TGV Edgard Razafindravahy no farany amin’ireo nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana omaly hariva. Nanaitra ny filazany fa izay farany no voalohany ary izay voalohany no farany. Toa te hilaza izany ny tenany fa i Hajo Andrianainarivelo, kandida nahatafapetraka voalohany ny firotsahany no ho farany amin’ny 24 jolay izao. Fomba fiady amin’ny politika avokoa izany ary tsy mahagaga satria efa mpifahavalo hatrizay izy mirahalahy ireo.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.