Politique

Kandida filoham-pirenena Ravao ny CES !


  • Alatsinainy 06 Mey 2013

Iharan’ny rihatra sy ny kiana rehetra ny CES na ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana, noho ny nanekeny ny filatsahan-kofidian’i Andry Nirina Rajoelina amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ny 24 jolay izao.

 Fahotana mahafaty mihitsy no vitan’ireo mpitsara namoaka iny didim-pitsarana iny raha ny hevitry ny ankamaroan’ireo kandida ofisialy. Samy milaza ireo izay nanontaniana fa tsy azo antoka intsony izay fanapahan-kevitra horaisin’ny CES eo satria vao asany voalohany dia efa namalan-kira sahady izy ireo. Toa manome antony itsipahan’ireo ho resy ny voka-pifidianana eo sahady ry zareo, izany hoe efa mandindona sahady indray ny korontana ary tsy afa-miala amin’izany ny CES amin’izao fahadisoam-pamindrany izao. I Monja Roindefo dia nilaza fa tokony hovana ireo mpikambana ao amin’ny CES noho ny ahiahy tsy ihavanana. Mitovy hevitra aminy koa ny kandida Ratsiraka Roland izay milaza fa tokony hivory handray fanapahan-kevitra momba io fanovana ny CES izay manao tsy fanarahan-dalàna io ny Parlemanta.

Nanamafy koa ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa avy amin’ny ankolafy Ravalomanana fa miteraka tsy fahatokisana ireny didim-pitsarana hafahafa ireny. Fa ankoatra ity rafi-pitsarana manokana misahana ny fifidianana ity dia nahazo ny anjarany koa i Andry Rajoelina izay nanao lalam-poza. Tsy gaga amin’ny fihetsiny anefa i Pierrot Rajaonarivelo izay nilaza fa efa mahazatra azy (Andry Rajoelina) io tsy fanajana ny sonia io. Notsiahiviny ireo fifanarahana iraisam-pirenena natao tany Maputo, Addis Abeba izay nodikainy avokoa. Ny sabotsy teo dia nisy kandida vitsivitsy nanao fanambarana miaraka mitaky ny fitazonana ny datim-pifidianana na dia eo aza ity tranga ity.


Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT